FANAMBARANA

FANAMBARANA

Mandry tsy lavo loha ankehitriny ny vahoaka malagasy ny amin’izay mety hoentin’ity taona vaoavao 2017 ity, indrindra manoloana ny fanatonan’ny taom-pifidianana izay ho Filoham-pirenena afaka iray na roa taona. Fifidianana izay efa noporofoin’ny tantara fa niafara hatrany teny an-dalam-be sy tao anatin’ny krizy ny fifamindram-pahefana. Efa vonona avokoa ankehitriny ny fitaovam-piadiana an-tserasera na ho an’ny andaniny na ho an’ny ankilany, taorian’ny fisokafan’ireo haino aman-jery sy gazety maro mpanohana ny fitondrana raha toa efa an-taonany kosa, nanomboka tamin’ny 2013, no miandry ny anjara masoandrony ireo haino aman-jery hafa, indrindra ireo an’ny mpanao politika mpanohitra.

Hafampàna noho izany ny tontolo politika sy sosialy ary ara-toekarena amin’ity 2017 ity, ampian’ny fikopahan’afo ataon’ny orinasan-tserasera avy amin’ny andaniny avy. Efa ahitana taratra izany ny firongatry ny fitsaram-bahoaka izay tsy voafehin’ny manam-pahefana intsony, na ny mpitandro ny filaminana na ny mpitsara, ka hahafahan’ireo mpanao politika sasantsasany “manararao-paty” sy manodina ny saim-bahoaka. Efa iaraha-mahalala ihany koa ny tsy fandriampahalemana iainan’ny mponina efa ho isan’andro na eto an-drenivohitra izany na any ambanivohitra ary mazàna dia ny maso solon’ny maso sy ny aina, solon’ny aina no vahaolana hitan’ny mponina amin’ny fahasahiranany. Tsy lazaina intsony koa ny fisian’ny delesitazy izay manampy trotraka ny tsy fandriampahalemana satria ahazoan’ny olon-dratsy sy tontakely mananaraotra toy ny banga mihomehy alina.

Ahiana ho mafy ihany koa ny fifanandrinan’ny haino aman-jery sy gazety avy amin’ny ankolafy roa vokatry ny fanampiana ara-bola avy any ivelany izay tsy omemem-poana akory fa misy tambiny toy ny fifehezan-kibo mafy ho an’ny firenena sy ny fanaraha-maso akaiky ny fitondrana momba ny demaokrasia sy ny fahalalahana ary ny fanajana ny zon’olombelona. Marihana anefa fa ny vahoaka tsy mandady harona hatrany no mitaty ny vokatr’izany trosa vaovao sy fihafihana ara-bola isan-karazany izany ka mibaby ny fahatrana efa antsoso-koditra hatramin’ny taona 90 sy ny Fanitsiana ara-drafitra napetraka tamin’izany fotoana izany. Ilaina ny fandraisan’andraikitry ny haino aman-jery sy gazety rehetra, na inona na inona fironany, hamela ny fironan-kevitra rehetra hiteny am-pahalalahana hamerenana indray ny fitokisan’ny vahoaka amin’izy ireo sy ny mpitondra ary indrindra hamerina indray ny filaminan-tsaina ho an’ny mpiara-monina.

Misy ireo tranga samihafa tokony hisintona ny saina noho ny lalao maloto idiran’ny haino aman-jery sy gazety ka isian’ny fihoaram-pefy lavitra mihoatra ny tokony ho asa fanaovan-gazety. Isan’izany ny raharaha JIRAMA, ny momba ny toetry ny andro, ny ady harena an-kibon’ny tany (Anjozorobe, Soamahamanina), ny fitsaram-bahoaka (Ikalamavony, Sambava, Mampikony, Betafo, Ambilobe, Mananara avaratra, Moramanga, Befandriana, Mananjary, Vangaindrano, Ihosy, Antanimora Ambovombe, Ambatolampy, Ampitatafika, sns.), ny olan’ny famatsiana vary (na pilasitika na tsia), ny fitateram-bahoaka sy ny fitaterana amin’ny ankapobeny, ny fitantanana ny renivohi-paritany sasantsany, ny fiakaran’ny vidintsolika. Tsy hadinoina ny fifanalam-baraka sy ny fifanompana ary ny fifampitoriana isankarazany
eny amin’ny tamban-jotra sosialy izay matetika anefa tato ho ato no raisin’ny mpanao gazety ho toy ny loharanom-baovao azo itokisana.

Sambany teo amin’ny tantaran’ny firenena no isian’ny gazety sy haino aman-jery marobe toy izao saingy mazàna dia fihetsiketsehana no be ankoatra ny fanenjehana na fanohanan’olona be fahatany sy ny fiantsian’ady. Lazaina ho taratry ny demaokrasia eto amin’ny Nosy ny fisian’ireo gazety sy haino aman-jery tsy tambo isaina ireo saingy ny marina dia ny sivana ankolaka sy ny felaka ary ny fividianana mpanao gazety sy haino aman-jery no manjaka ka raha tsy ampy izany dia hirosoana ny ramatahora sy ny fahirano samihafa.

Taratry ny tsy filaminana eo amin’ny sehatry ny asa fanaovan-gazety sy ny fampitambaovao ihany koa ny fikaramana an’ady ataon’ny mpanao gazety maromaro izay mifindra lasy etsy sy eroa vokatrin’ny vola sy ny hamafin’ny fiainana ka tsy manisy fotony intsony ny etika sy deaontaolaojia na ny soa toavina hafa mandidy ny asa fanaovan-gazety ho toa ny asa masina. Raha ny marina dia ny mpanao paolitika-tompon’orinasan-gazety ihany no tena mahazo tombony satria hatreto aloha dia fitaovana politika sy ara-barotra ihany no ilan’izy ireo ny gazety sy haino aman-jery hatsangany.

Isan’ny voka-dratsin’ny firaisana tsikombakomban’ny politika sy ny haino aman-jery ny fitrandrahana tsy an-drariny sy mangingina ny harena voajanaharintsika; eo ihany koa ny fanaovana ho fitaovana paolitika ny finoana sy ny fivavahana ka zary manampy trotraka ny fahorian’ny vahoaka izay tsy manana afa-tsy ny finoany intsony ankehitriny antenainy hanavotra azy amin’ny hasarotam-piainana. Ho avy ny fifidianana ary inoana fa hanenika ny tempoly sy ny trano fiangonana isan-karazany ny mpanao paolitika hanjono ny mpino izay mpifidy ihany koa alohan’ny zava-drehetra. Efa tsy vitsy amin’ireo mpanao politika ireo no tsy mitsahatra miseho amin’ny haino aman-jery sy miseho gazety manatrika fitaompivavahana isan-tokony.

Noho ireo antony ireo, ary manoloana ny mety hisian’ny fipoahana ara-tsosialy sy ny ady an-trano, ny fikambanana ILONTSERA, amin’ny maha Ivontoeram-pandalinana ny tontolon’ny serasera marolafy azy, dia mandroso ireto tolon-kevitra ireto :

  •  manao antso avo ho an’ny haino aman-jery sy ny gazety ary ny mpanao gazety, na inona na inona fironana politika tohanany, hanatanteraka ny asany amim-pomba matihanina ka handray ny andraikiny feno amin’ny fampiasana ny fitaovana mahery vaika eo ampelatanan’izy ireo izay mety hamono olona sy hamotika firenena nefa mety hitondra fivoarana tsy tambo isaina ihany koa ;
  • manao antso avo ho an’ny manam-pahefana isan-tokony hanome fahalalahana mitovy ho an’ny mpanao gazety rehetra na inona na inona fironany, indrindra eo amin’ny lafiny fahazoam-baovao sy maneho hevitra, araka ny lalàna sy ny fifanarahana iraisam-pirenana samihafa nosoniavin’i Madagasikara, voalohany amin’ireo ny fanajana ny demaokrasia sy ny Zon’olombelona ary fahalalahana haneho hevitra.
  • mitaky ny fampiharana amin’ny fomba tsy mitanila ny Lalàna vaovao mifehy ny serasera na inona na inona fironan’ny mpanao gazety sy ny mpampiasa azy, mandra-pisy ny fanoherana ara-dalàna eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, hany sehatra mbola azo andinihina indray ity lalàna notsikerain’ny be sy ny maro ity ;
  • mandrisika ny fampiasana am-piheverana sy am-pahamendrehana ny tamba-jotra sosialy na ho an’ny olon-tsotra na ho an’ny mpanao gazety mba hitohizan’ny fahalalahana hiteny sy haneho hevitra;
  • manao antso avo ho an’ny olom-pirenena, ny tompon’andraikim-panjakana, ny Fiarahamonim-pirenena, ny hery velona rehetra eto amin’ny Nosy, indrindra ny mpisehatra eo amin’ny lafin’ny serasera sy fampitam-baovao, mba ho tonga saina sy handray ny andraikitra tandrify azy avy hisian’ny fitoniana sy ny filaminana ara-tsosialy ka hahazoan’ny vahoaka mpiara-belona mifantoka amin’ny fameloman-tena sy ny tokantranony manoloana ny hasarotry ny fiainana andavanandro ankehitriny.

Natao teto Antananarivo, faha- 18 febroary 2017

ILONTSERA
Ivom-pandalinana ny Tontolon’ny Serasera marolafika eto Madagasikara
Observatoire des Médias et de la Communication à Madagascar
Media Matters Madagascar


ONG ILONTSERA- Adresse : II A 43-Antaninandro, Antananarivo 101
Tel : +(261)34 04 273 18/+(261)34 04 091 95
E-mail : mediamattersmg@gmail.com
Site web : www.ilontsera.mg
Facebook : Ilontsera